FANTINA sy FINTINA

Nametraka fitoriana ny kandidà ben’ny Tanàna ao Toamasina, Ratsiraka Roland, manoloana ny voka-pifidianana any an-toerana. Tsy hanaiky resy hatramin’ny farany izahay na inona na inona mitranga, araka ny nambarany. “Aoka hifantoka amin’ity ady masina ity isika fa tsy hanao fety aloha na hanaiky horebireben’ny sasany” , hoy izy.
Tokony hahintsana ny kandidàm-panjakana fa volan’ny mpamatsy vola ireny nozarain’ny fitondrana ireny, araka ny nambaran’ny depiote Randria­ma­si­noro Rina. « Maro koa ireo miaramila sy zandary na­nao mission nifidy teny amin’ny boriborintany tamin’ ny alalan’ny ordre de mission nefa ivelan’ny kaominina Antananarivo », hoy izy. Efa vonona hampitaha ny voka-pifidianana ny Tim, araka ny nambarany.
Tsipahin’ny depiote “Del kely” ny antson’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny hampitambarana ny mpanohitra, manoloana ny voka-pifidianana. “Ho fantatry ny hafa ny fivoriana sy ny paikady hanoherana izao tsy mety izao raha izy no mitarika izany”, hoy izy. Nandrava ny Firaisankina sy nitory izy nefa miantsoantso fampitambaran-kery, araka ny nambarany hatrany.
Voafidy ho arsevekan’ny provansa Eklesias­tikan’ny ranomasimbe Indianina ny Mgr Rakoton­dravelo Rateloson Gilbert. Nankasitraka ireo komity provinsialy nifidy sy naneho firaisam-po nametraka izany fitantanana izany amin’ny Malagasy indray ny fiangonana Anglikanina. Tsiahivina fa ny Mgr Rabenirina Remi Joseph no nisahana izany teo aloha.

Partager sur: