Fiakaran’ny vidim-bary : Miato ny fitateram-bokatra avy any Toamasina

Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary amin’izao fotoana. Tsy mitovy avokoa ny vidiny isaky ny tsena, indrindra ny vary gasy.

«Niato kely ny fitaterana avy any Toa­masina saingy efa am-pandinihana izany ny minisitera. Hapetraka ihany koa ny paikady handrindrana ny vidiny, hamaliana ny hetahetan’ny Malagasy ka halamina mialoha ny fety izany», hoy ny minisitry ny Fampi­roboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambo­firinga David, omaly, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny varavarana misokatra ataon’ny minisitera eny Ambohidahy. Noto­hizany fa misy amin’ireo mpanangom-bokatra no manana tahiry saingy mamoaka izany tsikelikely, manampy trotraka ihany koa ny faharatsian’ny lalana, antony mahatonga ny fiakaran’ny vidim-bary amin’ izao fotoana.

Fandraharahana

Tanterahina mandritra ny roa andro, ny 17 sy 18 desambra, ny varavarana misokatra ataon’ny minisitera. Hetsika hampahafantarana ny asa ataony manoloana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fanampiana entiny ho an’ireo mpandraharaha. “Hozaraina amin’ny rehetra ny tombontsoa azon’i Madagasikara amin’ireo fifanakalozana ara-barotra aty Afrika sy ny tombontsoan’ny Malagasy mpandraharaha ao anatin’izany”, hoy hatrany ny minisitra.
Ankoatra izay, andro natokana hanaovana tomban’ezaka sy ireo tokony hotohizana ary ny politika indostrialy amin’alalan’ny fametrahana ny ozinina mamokatra eto an-toerana ihany koa ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny fampakarana ho 30% ny lanjan’ny indostria eo amin’ny harinkarena faobe raha toa ka 15% monja izany ankehitriny. Hisy ny fifanakalozan-kevitra hanamafisana ny fampahafantarana ny minisitera sy ny fiaraha-miasany amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa ary ny sehatra tsy miankina mandritra ny hetsika.

Henintsoa Hani

Partager sur: