INDRAY MIJERY

15 mirahavavy niharan’ny herisetra, avy ao amin’ny faritra Diana, notoloran’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa mari-piofanana sy fampitaovana momba ny zaitra avy amin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika rehefa avy niofana nandritra ny dimy andro. Niarahana tamin’ny Brigade féminine de proximité ao Antsiranana ny fiofanana. Tanjona ny ahafahan’izy ireo mihoitra amin’ny fiainana, tsy hiankindoha fa hahaleo tena, hanana asa mahavelona.
Faritra telo (Atsimo Andrefana, Anosy ary Androy), distrika 15, ary kaominina 235, ahitana olona 350 nisitraka mivantana ny hetsika fanatsarana sy fanamafisana ny fahaiza-manao. Fahafaha-mihetsik’ireo rafi-pitantanana misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza izay tafiditra amin’ny asa tanterahina amin’ny tetikasa Mionjo vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, izy io. Tanjona ny hampitomboana isa ireo faritra sy distrika ary kaominina manana komity misahana ny fitantanana ny loza sy tandindon-doza.
Mafana ny andro, ndao hisotro rano matetika. Io no fanentanan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Rano 1,5 L isan’andro eo no fatra ilain’ny vatantsika. Ny rano dia manampy amin’ny fitazomana ny habetsahan’ny ra ao amin’ny vatana. Ny ra no mitondra ny oksizenina ilain’ny hozatra sy ny atidoha mba hitroka ny otrikaina sy hamokatra ny angovo ahafahany miasa. Ny sela sy ny taova dia mandray oksizenina amin’ny alalan’ny ra ary mamoaka CO2 amin’ny alalan’ny rivotra.
Manimba ny hodi-tava ny masoandro migaina. Raha azo atao, arovana fatratra amin’ny herin’ny masoandro io faritra io. Manao satroka na mitondra elo mihitsy. Mamonjy aloka rehefa mandeha. Raha manana fahafahana dia mampiasa ireny hosotra azo antoka avy amin’ny dokotera ireny hiarovana ny hodi-tava, indrindra ho an’ireo efa 30 taona mihoatra.

Partager sur: