Niakatra fampanoavana tao Mandritsara, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja ilay vehivavy 19 taona nanondraka rano mangotraka ny vadiny. Nitrangana fifandirana teo amin’io vehivavy io sy ny vadiny tao amin’ny tanànan’i Farara, kaominina Kalandy, distrikan’i Mandritsara, ny alahady maraina tamin’ny 8 ora. Nisy vehivavy niantso tamin’ny finday ilay rangahy vadiny. Saro-piaro ramatoa ka nanao fihetsika tsy voahevitra. Naverina tamin’ny vadiny ny telefaonina. Naka rano mangotraka tao anatin’ny fitoeran-drano mafana izy. Natondrany tamin’ilay vadiny ilay rano. Vokany, may ny tarehin-drangahy sy ny faritra manodidina ny masony. Nentina notsaboina teny anivon’ny klinika Vaovao Mafaly Mandritsara ity farany. Nokarohina ilay nahavanon-doza ka voasambotra.
Tsiferana R.