Nifatraran’ny kamiao: nosokirina tanaty fiara ilay mpamily taxi

Avotra soa aman-tsara saingy naratra ny mpamily fiara karetsaka nifatraran’ny kamiao tetsy Ankadikely-Ilafy, ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 17 desambra teo. Potika tanteraka ilay taxi.

Nifampisokiran’ny mpamonjy voina tao anatin’ny fiara fitadiavam-bolany ny mpamily fiara karetsaka iray teny Manjaka, kaominina Ankadikely Ilafy, ny alin’ny alatsinainy 16 desambra tamin’ny 12 ora. Kamiao mpitatitra entana iray nikasa hianavaratra tra-doza tampoka. Tsy nety tafiditra ny “vitesse” an’io fiarabe io. Nihemotra ny fiara ka tsy voafehin’ny mpamily intsony. Tsy nanampo na inona inona ny mpamilin’ny fiara taxi tao aorian’ilay ka­miaobe. Nifatraran’io fiara be io ny fiara nentiny. Tsy vitan’izay, nitrongy ny tambohon’ny orinasa mpamokatra lamba eo an-toerana io kamiao io. Nigadona teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina avy eo anivon’ny kaominina An­tananarivo Renivohitra ka nanavotra ilay mpamilin’ny fiara lasibatra. Tsy maty fo aman’aina, nentina namonjy hopitaly izy. Potika tanteraka ilay taxi 2CV.
Taksiborosy nivadika
Mpandeha iray namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN25, tao Irondro, omaly maraina. Taksiborosy mampitohy an’Ifanadiana sy Manan­jary nivoaka ny arabe tampoka ka nivadika. Voa mafy ny iray tamin’ireo mpandeha ka antony niteraka ny famoizan’aina. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avokoa ireo mpandeha hafa naratra. Tsy fantatra mazava ny anton’ny loza. Ahina ho vokatry ny fandehanana mafy izany. Tsia­hivina, matetika mitera-doza eny anivon’ny lalam-pirenana ny tsy fanajana ny hafainganam-pandeha ataon’ny mpamily.

Tsiferana R.

Partager sur: