«Hikirakira ireo antontam-baovao mahakasika ny fananantany rehetra eto Madagasikara ny Point focal Jeritany», hoy i Soavinalahatra Nasoloarijery, mpandrindra nasionalin’ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany (Sif), omaly, nandritra ny fampiofanana natao teny Faravohitra. Aorian’ izay, hohalalinina sy hofakafakaina, hoy izy, ny antontan-kevitra voaray ary hanaovana adisisika eo anivon’ny firaisamonimpirenena. Noho izany, nanaraka fiofanana nandritra ny roa andro, ny 16 sy 17 desambra, ireo masoivoho (Point focal Jeritany) hanamafisana ny fahaiza-manao mba hahafahan’izy ireo misehatra avy hatrany amin’ny fikirakirana ny Jeritany izay mifototra amin’ny fikirakirana antontan-kevitra sy antontam-baovao mahakasika ny fananantany.
Miara-miasa amin’ny firaisamonimpirenena hatrany ny Sif amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ataony. Kendrena manokana ny hanatsarana ny fitantanana ny fananantany ho an’ny fampandrosoana ny sosialy sy ny toekarena maharitra eto Madagasikara. Ny taona 2023, napetraka ny rafitra Jeritany hanara-maso sy hikirakira ny antontam-baovo sy antontan-kevitra mahakasika ny fananantany. Mbola ity rafitra ity koa no manara-maso ny fivoarana sy ny fanamby eo amin’ny sehatry ny fananantany. Tanjona ny hitondra vahaolana mivaingana sy azo ampiharina hamaliana ny hetahetan’ ny mponina.
Henintsoa H.