“Pureplay Football League” : Mety hisy fanovana ny rafi-pifaninanana

Nanatanteraka fivoriana mahakasika ny tohin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ny fikambanan’ny klioba elita eto Madagasikara, CFEM, omaly, teny Andoharanofotsy. Araka ny loharanom-baovao iray, mety hisy ny fanovana ny rafi-pifaninanana amin’ity, ka hatambatra vondrona iray avokoa ireo klioba rehetra mpifaninana. Hisy ny fifandonana mandroso sy miverina amin’izany.
Tsiahivina fa nisy tamin’ireo ekipa mandray anjara no tsy mety milalao amin’ity PFL ity, noho ilay vondrona lasa telo, izay nahitana Kaonfe­ransy Avaratra sy Atsimo ary Afovoany.
Marihina fa klioba roa amin’ireo 16 anatin’ny PFL, efa nahavita lalao mandroso sy miverina. Ahitana ny Fosa Juniors FC sy ny Tsaraman­droso Formation FC, ekipa samy avy ao amin’ny faritr’i Boeny.
Ankoatra izay, andrasana aorian’io fivoriana io ihany koa ny fitohizan’ny lalao. Tsara ny mampahafantatra fa mizotra amin’ity volana desambra ity, ny lalao voalohany sy faharoa, hihaonan’ny Barea de Mada­gascar sy i Eswatini. Fihao­nana izay tafiditra amin’ny ady tapakila hiatrehina ny “Chan 2024”.

F.R

Partager sur: