Sambany! Nomem-boninahitra manokana ireo atleta nahazo medaly teo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Notolorana tambin-kasasarana izy 35 mianadahy nanandratra ny lazan’i Madagasikara.
Notolorana mari-pankasitrahana sy vola ho tambin-kasasarana ny atleta 35 mianadahy, omaly, teny Iavoloha. Avy amin’ny taranjam-panatanjahantena miisa sivy izy ireo : tsipy kanetibe, fibatana fonjamby, lomano, échecs, fanabokonan-kozatra, kick-boxing, judo, ji-juitsu, ary ny tenisy ambony latabatra. Nahazo medaly volamena, volafotsy, alimo, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sy ny tompondaka maneran-tany izy ireo.
Notolorana lelavola 5 tapitrisa Ar ny atleta nahazo volamena, 4 tapitrisa Ar ny volafotsy, ary 3 tapitrisa Ar ny alimo, ho an’izay nandrombaka ny anaram-boninahitra maneran-tany. 4 tapitrisa Ar ny volamena, 3 tapitrisa Ar ny volafotsy, ary 5 hetsy sy 2 tapitrisa Ar ny alimo, ho an’izay nifaninana teo amin’ny sehatra afrikanina. Marihina fa nisy ny atleta nanao pao-droa satria nahazo medaly samihafa.
Ny ezaka ihany!
Nitarika ny lanonana teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izay vao nandrombaka ny tompondakan’i Afrika amin’ny fahaiza-mitarika. Nambarany tamin’ny lahateny nataony fa ny ezaka izay hatao sy ny fikelezana aina dia tsy maintsy ahitam-bokany. “Noporofoinareo fa rehefa misy ny fikirizana sy faharetana, tsy maintsy tratra ny tanjona ary tsy maintsy mahazo vokatra tsara. Betsaka no nifanintsana, betsaka ireo nandray anjara fa ianareo no tompondaka sy mendrika”, hoy izy.
Tetsy ankilan’izay, nisaotra ny fitondram-panjkana, indrindra ny filoham-pirenena, ny minisitry ny Tanora sy fanatanjahantena, Marson Moustapha Abdulah. Nambarany fa angovo miabo ho an’ny atleta sy ny mpikarakara azy ireny ny hetsika tahaka izao. Nanao karazana ampamoaka momba ny volabe nomena ny federasiona milaza ho tsy misy mpiraharaha izy. Nanao antso avo amin’ny mpampahalala vaovao ihany koa mba hilaza ny marina.
Nisaotra ny filohan’ny Repoblika sy ny minisitra kosa ny filohan’ny federasionin’ny Kick-boxing, Lylyson René de Rolland, izay nisolo tena ireo atleta.
Fitia Randria