Notontosaina ny alahady lasa teo, teny Ambohidava, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja fanamoriana Motocross MX1. Voahosotra ho tompondaka fanintelony, amin’ity taranja ity, i Mathias Plantive, raha toa ka faharoa, i Claudio Tida. Tsiahivina fa miisa sivy ny dingana natao teto Madagasikara, nandritra ity fifaninanana nasionaly ity.
Mazava ny fandresena ho an-dRazafindratsimba Mboara, Malagasy mpilalao “Karting”, nandritra ny fifaninanam-pirenena natao ny alahady lasa teo, teny amin’ny SRK Imerintsiatosika. Tsara marihina fa efa niatrika fifaninanana iraisam-pirenena tamin’ity taranja ity i Mboara, ary mbola maniry ny handray anjara amin’izany.
Hotanterahina, anio, eny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, ny fihaonana eo amin’i Madagasikara sy i Comores. Lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja baolina kitra, sokajy zandriny U15, lahy sy vavy. Marihina fa ny 22 desambra ho avy izao no hifarana ity hetsika ity.
Hitohy ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, diviziona voalohany, sokajy vehivavy. Fihaonana tena andrasan’ny maro, indrindra fa ny mpankafy baolina lavalava, ny lalao hikatrohan’ny FTM Manjakaray sy ny SCB Besarety.