Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 20 desambra izao ny hetsika “Patrimoine, Patrimonialisation, enjeux patrimoniaux ». Hetsika hanasongadinana sy hampahafantarana ny lanjan’ny vakoka eto Madagasikara. Ny Oniversiten’Antananarivo miaraka amin’ny IFM Analakely sy ireo mpiara-miombon’antoka maro no mikarakara izany. Fampirantiana, velakevitra ary valandresaka no handravaka ny fotoana.
Nifarana ny taona Sehatra Bagasy 2024. Fantatra tamin’izany fa raha tsy hisy ny fiovana, ny volana avrily 2025 no hamoaka ny rakikira sy rakitsary voalohany izy ireo. Vina apetraka ihany koa ny iainan’ny Malagasy ny kolontsaina bagasy. Anisan’ny dingana lehibe vitan’ny Sehatra Bagasy ny nahatontosana ilay seho « Redombe Bagasy » 2024. Anisan’ny fototra niaingana tamin’io rahateo ny famoahana ireo vokatra vaovao ireo
Anomboka anio hatramin’ny 18 janoary 2024, ao amin’ny Fondation H ao Paris, ny fampirantiana “Ridô – Dévoiler les souvenirs” an’i Tsiriniaina Hajatiana Irimboangy. Vokatry ny fiofanana sy fandalinana nataony tao amin’ny Cité internationale des arts tao Paris izy io. Ity mpanakanto ity izay mpandresin’ny fifaninanana Prix Paritana 2024.
Mba hampitoetra tsara ny fiverenana any amin’ny fototra. Ilaina hatrany ny mampahafantatra ny taranaka mifandimby ny kolontsaina, fomba amam-panao, fady, fahalalana niainan’ny Malagasy sy ireo tsy azy fa nindraminy. Andro vitsy, higadona ny taom-baovao gregorianina. Anterina amin-dry zareo fa an’ny vahiny io. Tsy midika fankahalana akory izany fa fametrahana ny maha izy ny an’ny tena.