Nampahafantatra ny tetikasa A-Viavy ny ONG Ilontsera, omaly, tetsy Amparibe. Tetikasa fiarovana ny vehivavy mpanao gazety mandritra ny fanatanterahany ny asany.
Vokatry ny tombana nataon’ny Ilontsera mahakasika ny tsindry mahazo ny mpanao gazety, vehivavy, no namolavolana ny tetikasa. Anisan’izany ny fandrahonana sy ny herisetra ana habaka, ny herisetra ara-nofo ary ny fanimbana fitaovam-piasana.
Hita soritra koa ny tsy fahafantarana ny lalàna sy ny rafitra afaka miaro ny mpanao gazety ka anaovana ezaka ao anatin’ny tetikasa A-Viavy.
Anisan’izany ny mpisolovava sy ny Holafitry ny mpanao gazety. Eo koa ny tsy fahatokisana ny manam-pahefana sy ny tahotry ny valifaty ka antony tsy hahasahiana mitoroka.
Manana tanjona ny handalina bebe kokoa ny hiarovana ny fanaovan-gazety ary hanatsarana ny rafitra efa misy ny tetikasa.
Hapetraka koa ny sampana manampy ara-pitsarana hamaliana ireo tranga mahazo. Misy ny fanentanana ny mpisehatra samihafa hahafahana miaro ny mpanao gazety.
Hotetezina ny renivohi-paritany 6 hahafahana manangona ny zavatra iainan’ny mpanao gazety any.
Tatiana A