Namoy ny ainy tao amin’ny hopitalibe Tambohobe Fianarantsoa, omaly tolakandro, ilay rasazy may teo anivon’ny CSB II Manakara. Tra-doza tampoka teo anivon’io toeram-piasany tao Manaraka io izy, ny 12 desambra teo. Vokatry ny fahavoazana, voatery nakarina notsaboina tao Fianarantsoa izy saingy izao tsy tana izao ny ainy.
Kila hotohoton’ny afo ny trano fandraisam-bahiny iray tao Ambositra, afakomaly alina. Levona tao anatin’ny minitra vitsy ny entana rehetra tao anatin’io trano io. Tsy fantatra mazava ny anton’ny firehetana. Anatin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Efa nisazy tamin’ny halatra vilany, tra-tehaky ny mpitandro filaminana fanindroany ny renim-pianakaviana iray teny Sabotsy Namehana, ny alahady 15 desambra teo. Nangalatra vilanin’olona indray izy. Tratra teo am-pikasana hanao ny asa ratsiny ity farany ka nentina nihazo ny biraon’ny zandary.