Nanao fanambarana ny Vovonana Yltpianina, tarihin-dRanaivoarison Johnny Lemriss, taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna. Nambarany fa anisan’ny fepetra takin’ny asa fampandrosoana isan-tsokajiny ny fitoniana sy ny filaminana ary indrindra ny fanajana ny safidim-bahoaka. Manana adidy lehibe ireo hitantana ny tanàna mba hitandro ny tombontsoa iombonana. “Koa miantso ny rehetra izahay mba ho tony sy hiray hina ao anaty fahasamihafana eo am-piandrasana ny voka-pifidianana”, hoy izy. Nisaorany ireo namita adidy tamin’iny fifidianana teo iny. Nohamafisiny fa fototra lehibe ahafahana miantoka ny fahamarinan-toeran’ny Andrimpanjakana ny fanajana ny demokrasia sy ny soatoavina repobilikanina. Nanteriny fa manana andraikitra eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny firenena, na amin’ny lafiny politika, ny toekarena ary ny sosialy ny Vovonana Yltpianina. Niaiky izy ireo fa manome vahana ny maro anisa ny lalànan’ny demokrasia. “Tsy azo atao ambanin-javatra koa anefa ny vitsy anisa”, hoy ihany izy.
Synèse R.