WMG : Nivoaka ny andiany “Tsimoka”

Notolorana mari-pankasitrahana tetsy amin’ny foiben’ny Wednesday Morning Group (WMG) Ambatoroka ireo mpianatra 16 mirahavavy, omaly. Andiany faharoa, nosalorana ny anarana Tsimoka, izy ireo. Nahavita ny fiofanana maimaimpoana mahakasika ny tontolon’ny zaitra nandritra ny 9 volana izy ireo. Avy amin’ny fianakaviana sahirana avokoa ireo vehivavy nisitraka ny fiofanana eo anivon’ny fikambanana. Tanjona ny hanampiana ireo vehivavy hivelatra kokoa sy hananany asa mahaleo tena eo amin’ny fiainany. Amin’izao fotoana izao, mahafehy ny tontolon’ny zaitra amin’ny ankapobeny izy ireo, toy ny fanaovana “patronage”, famoronana maodely maro samihafa, sy ny maro hafa. Ankoatra izay, nampianarina ny fanamboarana serviette hygiénique azo sasana, “pochette” ary mametaka bokotra ihany koa izy ireo nandritra ny fiofanana. Naha­vokatra 4 090 isa tamin’izany, izy ireo, tao anatin’ny telo volana.
Nampivelatra sy nampandroso haingana ny fahaizan’ireo mpianatra ny fananana masinina fanjairana 15 eo anivon’ny toeram-piofanana. Man­deha amin’ny herinaratra ny 10 amin’ireo, toy ny masinina fametahana bokotra iray, “surjetteuse” iray, fanapahana iary, masinina fametahana bokotra iray sy fanaovana akanjo ba iary, ary hety ny 5 ambiny. Marihina fa mbola hanohy ny fiofanana nataony ireo mpianatra roa vavy nahay indrindra tamin’ity andiany faharoa ity. Hotolorana ny mari-pankasitrahana mahakasika izany izy ireo amin’ny volana marsa 2025. Hanom­boka anio kosa ny fidiran’ireo mpianatra vaovao.

Mino

Partager sur: