Barea de Madagascar : Mpilalao 25 hiatrika an’i Eswantini

Ny talata lasa teo no nihazo an’i Afrika Atsimo ny Barea de Madagascar, hiatrika ny lalao mandroso hifanandrinana amin’ i Eswantini, eo amin’ny fiadiana toerana amin’ny « Chan 2025 ». Mpilalao 25 no nantsoin’ny coach Rôrô, mpanazatra. Ankoatra ireo mpilalao efa mahazatra toa an’i Nina, mpiandry tsatoby sy i Dadafara ary Tony sy i Andy miampy an’i Lalaina sy i Datsiry. Misy koa ireo vaovao ka anisan’ireny i Randy, i Gregasse, i Christiano, i Alexandro.
Tsiahivina fa ao amin’ny kianja Lucas Masterpieces Moripe Stadium ao Pretoria Afrika Atsimo no hatao ny lalaon’ny roa tonta, ny sabotsy 21 desambra, manomboka amin’ny 7 ora hariva eto Madagasikara. Hatao ao Côte d’or National Sports complexe Maurice kosa ny fihaonana miverina eo amin’ny ekipa roa tonta, ny alahady 29 desambra 2024. Marihina fa lalao natokana ho an’ireo mpilalao miatrika fifaninanana ao anatin’ilay firenena ihany ity Chan ity. Tafita avy hatrany amin’ny dingana famaranana izay manana isa betsaka mandritra ny lalao mandroso sy miverina eo amin’ny Barea sy Eswantini.

Tompondaka

Partager sur: