Base Toliara : mandritra ny 14 volana ny fandraisana mpiasa

Mampahafantatra ny mponina ny fisokafan’ny Base Toliara indray ny tomponandraiki-panjakana. Hitondra fampandrosoana maro eny ifotony ity tetikasa ity.

Midina ifotony ny tomponandraiki-panjakana milaza mivantana amin’ny mponina fa miverina misokatra ny orinasa Base To­liara, araka ny filankevitry ny minisitra, nivoaka ny 29 no­vambra 2024 teo. Voakasiky ny tetikasa ny kaominina mi­isa efatra (Ankilimalinika, Tsi­anisiha, Belalanda, Maro­mian­dra) ao amin’ny distrika Toliara II, miampy ny kaominina an-drenivohitra, distrika Toliara I. Anisan’ny nisantarana izany, ny talata 17 desambra teo, ny tao Ankilimalinika. Nambaran’ny talen’ny fifandraisana amin’ny rafi-panjakana ao amin’ny Base Toliara, Mahafaritsy Samuel, fa mandritra ny 14 volana ny fotoana handraisana mpiasa, ka hatao laharam-pahamehana ny mponina eny an-toerana, vao mitady any an-kafa. Marihina fa maherin’ny 3 000 ny asa mivantana sy tsy mivantana ateraky ny Base Toliara, ka ao anatin’izany ny fananganana fotodrafitrasa sy ny tena fitrandrahana. Eo koa ny fanohizana ny fandaminana samihafa efa natao, toy ny fanonerana ara-bola ny olona tompon-tany sy ny famindrana ny fasana. Nankatoa ireo rehetra ireo ny olobe, ny ray aman-dreny, ny tanora tany an-toerana.

Fampandrosoana haingana
Nilaza ny governoran’ny faritra, ny Dr Tovondrainy Herbert, fa nitsinjo manokana an’Atsimo Andrefana mba hisian’ny fampandrosoana maharitra ny filoha Rajoelina Andry, matoa nandray izao fa­napahan-kevitra izao ny tenany sy ny fanjakana foibe. Satria, tsy ahitana orinasa va­venty toy ny Base Toliara aty an-toerana. Koa, hihena ny olona tsy an’asa sy ny fa­han­trana ary hitondra fampandrosoana haingana. Manaja ny fomban-tany ny Base Toliara, ka nisy ny famonoan’omby natao tany Ranobe, ny talata maraina teo, nialoha ny fihaonana tamin’ny vahoakan’ Ankili­malinika ny tolakandro. Notolorana fanomezana, ho fankasitrahana azy ireo ihany koa, ny olobe any Toliara, omaly.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: