Fahazoana fankasitrahana : miandrandra ny anjarany ireo atleta sasany

Faly sy nitotorebika ireo atleta malagasy, nampihantain’ny filoham-pirenena noho ny anaram-boninahitra azony. Misy koa ireo mpanao fanatanjahantena sasany nahavita vokatra tsara saingy tsy mbola nahazo ny anjarany.

Tsy ireo atleta 35 mianadahy mianaka niaraka tamin’ny mpanazatrany ihany ny hany nisongadina tamin’ity taona 2024 ity, fa nisy hafa saingy tsy mbola tao anatin’ireo andiany voalohany nahazo izany. Anisan’ny niavaka tamin’izany ny zava-bitan’ny Padel, taranja zandriny indrindra nefa voahosotra ho tompondakan’i Afrika sy teto amin’ny ranomasimbe In­dianina. Ny Padel, izay miroborobo fatratra ankehitriny ary hihazakazahan’ny tanora hatao sady efa miely patrana manerana ny Nosy.
Teo koa ny Motocross of African Nation, natao tany Marrakech Maroc ny volana oktobra lasa teo, ka 2 voahosotra tompondakan’i Afrika ary nahazo medaly volamena 2. Ny 3 tompondaka lefitra nahazo medaly volafotsy. Tsy hadino koa ny Makis Ladies, tompondaka lefitr’i Afrika ary niatrika ny ho tompondaka maneran-tany natao tany Dubai, ny volana oktobra lasa teo. Toy izany koa ny Makis à 7, sokajy lehilahy, nahazo medaly alimo teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ka nahazo ny tapakila hiatrehana ny World circuit series 2025.
Manantena izy ireo fa ho tafiditra ao anatin’ireo andiany faharoa, hahazo ny anjara fankasitrahana avy amin’ny filoham-pirenena.
Tsiahivina fa nanakoako mihitsy ny talata lasa teo, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fanomezan’ny filoham-pirenena vola fankasitrahana ireo atleta nitondra avo ny lazan’i Madagasikara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nahafaly ireo atleta izany satria an-katoky ny fety indrindra. Tsy nisy tsy nidera izany fihetsika feno fitiavana nataon’ny filoha Rajoelina Andry izany, izay tsy manadino ny tanora indrindra ny mpanao fanatanjahantena mendrika.

Torcelin

Partager sur: