Fitahirizam-baksiny – USAID Impact : Nanolotra vata fampangatsiahana miisa 17

Nidina tany Toamasina ny talen’ny USAID vaovao, Mi­chele Russell, nanolotra vata fampangatsiakana mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 17 sy efitra voavoatra fitehirizam-baksiny. Nandray izany ny minisitry ny Faha­salamam-bahoaka, Randria­manantany Zely. Amin’ny alalan’ny tetikasa “USAID Im­pact”, izay tanterahin’ny PSI Madagascar no nanolorana ireo fitaovana.
Hatramin’ny taona 2018, nahatratra 14 ny générateurs ary 19 ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herinan’ny masoandro nomena. Teo koa ny efitrano 3 fitehirizam-baksiny ankoatra ireo kojakoja fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana natolotry ny tetikasa.
Nitsidika ny hetsika fanaovam-baksiny tany amin’ny CSB Fanandrana ny delegasiona. Nijery ny tokantrano nizarana ny lay misy odimoka ihany tany Barikadimy ihany koa.
Hatramin’ny volana oktobra, mahatratra 2,9 tapitrisa ny lay nozaraina. Mitontaly 14,7 tapitrisa izany manerana ny Nosy.
Tanjona ny hampihena ny olona voan’ny aretina tazomoka indrindra amin’ireo toerana mafana mbola mampirongatra izany.
Tao anatin’ny 6 taona niasan’ny tetikasa Impact, nisongadina ny firindran’ny fitohizan’ny fitahirizana ara-dalàna ireo vaksiny tonga eny ifotony hatreny amin’ireo mpisitraka vokatry ny fampitaovana .
Hifarana ny tetikasa “USAID Impact” ka hisy ny tomban’ny zava-bita hotanterahina amin’ity herinandro ity.

Tatiana A

Partager sur: