Manohana ny firenena aty atsimon’i Afrika ny Agence Française de développement (AFD) hanatsarana ny rafitry ny fanabeazana. Tafiditra amin’izany ny famokarana sy ny fanapariahana ny fitaovana enti-mampianatra ho an’ny ambaratonga roa voalohany.
Manao atrikasa fanombanana ireo fitaovana entina mampianatra hanampy ny mpampianatra hampita fahalalana any an-dakilasy, mandritra ny hateloana, eto Antananarivo ireo teknisianina eo anivon’ny minisitean’ny Fanabeazam-pirenena. Misy tetikasa lehibe iarahana amin’ny Unesco entina hanatsarana ny famokarana, fitantanana sy fanapariahana ary fampiasana ny fitaovana eny anivon’ny sekoly (ambaratonga fototra sy faharoa ) eto Madagasikara. Rehefa misy ny fanombanana, ilaina ny famolavolana fanontaniana samihafa, mandray ny toromarika mifandraika amin’izay ireo teknisianina eto Madagasikara, hoy ny talen’ny tetikasa Ressources éducatives, solontenan’ny Uneso avy any Dakar, Youssouf Ouattara. Firenena afrikanina maro no hanatanterahan’ny Unesco ny tetikasa ka anisany ny eto an-toerana.
Nisy fanapahan-kevitra noraisina
Nisy fanapahan-kevitra noraisin’i Madagasikara nandritra ny fivoriana momba ny fanatsarana ny rafi-pampianarana tany New York, tamin’ity taona ity. Tafiditra amin’izany ny fampitomboana ny fitaovana enti-mampianatra mba hisitraka izany avokoa ny zaza Malagasy.
Hanohana antsika ny Unesco hanatratra ny tanjona. Iray amin’izany ny fiaraha-miasan’ny IFM sy ny orinasa mpamokatra eto Madagasikara hanapariaka ny boky enti-mampianatra, hoy ny talen’ny fizaram-baovao eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Andrianirina Feno.
Voasahana ao anatin’ny fanombanana ireo fitaovana enti-mampianatra toy ny famokarana boky, ny vola ilaina sy ny zavatra manokana ho antsika eto Madagasikara, mba hifanaraka amin’ny zava-misy. Rehefa vita ny tombana, afaka mamolavola paikady manatsara ny famokarana fitaovana enti-mampianatra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny mpiray ombon’antoka samihafa.
Vonjy