INDRAY MIJERY

Nanatanteraka atrikasa niarahana tamin’ireo talen’ny toeram-pampiofanana, misehatra amin’ny secteur Textile Habillement et Accessoires (THA) miisa 37 sy ny « responsables en insertion et orientation » ao amin’izy ireo ny direction de l’Apprentissage et de la formation Initiale ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tanjona ny hananganan’ireo toeram-piofanana tetikasa hahafahany manatsara ny kalitaon’ny Fampianarana.
Nivoaka ao amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblikan’i Madagasikara ireo mari-boninahitra “Ordre national” sy “Medaille de travail”. Afaka manatona ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana 67 Ha Antananarivo, rihana faha-3, varavarana 306 raha mila fanazavana.
Tohin’ny hetsika tolo-tanana hoentina hanampiana ireo zaza manana toe-tena varira ao amin’ny Semafa Farafangana, eny amin’ny Zaridaina Anta­ninarenina indray ny Fikambanana Albinos Madagascar no mandray izay voatsirambin’ny tanana avy amin’ireo malala tanana, ny 20 sy 21 desambra izao. Raisina avokoa na menaka na savony na siramamy… Marihina fa zaza avy amin’ny faritra Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana ary Anosy ireo zaza ireo.
Miha mafy ny tsy fisian-drano amin’ny faritra avo. Na ireo lavadrano fakana rano teo aloha aza tsy manome intsony. Satria, efa miha ritra sy tsy maharaka ny filana intsony koa izany. Manararaotra aok’izany izao mpatsaka mampiakatra ny vidin’ny rano amin’ny daba mavo. Tafakatra hatramin’ny 2000Ar ny iray daba amin’ny toerana sasany.

Partager sur: