Ankizy 216 ao amin’ny Akany Fianakaviana miarina na Seba Isotry no nisitraka kilalao avy amin’ny tetikasa Ankizy Krismasy (TAK), omaly, niarahana tamin’ny minisiteran’ ny Mponina sy ny firaisankina, notarihin’ny minisitra Razafinjato Aurélie.
Fanomezana avy amin’ny ankizy any Amerika ireo zaraina amin’ny ankizy eto Madagasikara ireo. Misantatra sahady ny fetin’ny Krismasy ireo ankizy zanak’ireo fianakaviana sahirana ao amin’ny Akany Fianakaviana miarina.
Fanirian’ireo ankizy ny hiaina amin’ny fiainana ara-dalàna toy ny rehetra fa ho toerana fandalovana ihany ny ao amin’ny Seba Isotry. Ao anatin’ny fampiroboroboana ny maha olona izay andry fototry ny paikadim-panjakana rahateo ny fanarenana azy ireo.
Miverina any amin’ny toerana nihaviany na hafindra toerana eny Fieferamanga hisian’ny fivelomana maharitra ireo ankohonana ao amin’ny Akany rehefa te hiala amin’ny fahasahiranana, hoy ny minisitra Razafinjato Aurélie.
Mpatory an-tsena teo aloha ny ankamaron’ny olona ao amin’ny Seba. Amin’izao kosa mody ao izy ireo amin’ny hariva. Samy mitady izay hamelomany ny tenany rehefa maraina ny andro.
Tatiana A