Eo am-piandrasana ny valim-pifidianana amin’ izao, misy ny manahy na matahotra korontana politika? Na sanatria maniry izany aza… Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul: “Tsy amin’ny korontana sy fihemorana intsony ny Malagasy.” Fanehoan-kevitra…
“Tsy dia tena mieritreritra politika politisianina ny olona amin’izao. Izay ny zavatra hitako aloha. Miandrandra fandrosoana sy fivoarana ny olona, miandrandra zavatra any amin’ny tsaratsara kokoa”. Izay ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, manoloana ny fiatrehan’ny vahoaka ny toe-draharaham-pirenena taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsian’ny Tanàna farany teo. Ho sahirana ny olona izay alaim-panahy hitondra zavatra hihemotra na any amin’ny fihemorana. Satria tsy amin’izany intsony ny Malagasy, tsy te heverina intsony amin’ny raharaha 2002 sy 2009 izany. Ny eto Antananarivo aloha izay. Manahirana tamin’ny fizotran’ny fampielezan-kevitra ny fisian’ny fampiasan’ny sasany foko sy fiaviana ary zavatra maro samihafa, araka ny nambarany. Nefa mila tadidiana tsara fa Antananarivo dia Renivohitr’i Madagasikara. Kapitaly izany. Ny dikan’izay: eto avokoa ny foko 18. Ary efa namadika izany pejin’ny fifahasamihafana izany Antananarivo. Dia manaiky ny olona rehetra. Na ny any ivelany aza, tonga eto Antananarivo.
“Ny zavatra miandry antsika amin’ny herintaona no tiako hobanjinina”, hoy izy. Voalohany eto amin’ny tantaran’ny firenena ny hoe hitondra ny Sadc i Madagasikara. Tamin’ny 2009, natao an-jorom-bala i Madagasikara, natao tondro-molotra. Iza no nanao an’izany? Ny Sadc. Izao i Madagasikara mitantana ny Sadc. Raha misy zavatra lehibe faneken’izao tontolo izao an’i Madagasikara dia ny fanomezana an’io voninahitra lehibe hitantana ny Sadc io. Lasa modely amin’ny demokrasia izany, satria handamina raharaha ao Afrika. Tsy i Madagasikara no ndeha hihemotra any amin’ny hoe korontana, tsy fitoniana, savorovoro politika noho ny faharesena amin’ny fifidianana. Tsy mora ny resy. Afa-miteny izany izy, satria niainany izany tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, taona 2018. Na izany aza, miankina amin’ny foto-pisainana andraisana ny faharesena. Raha foto-pisainana korontana, fandravana, famotehana: tsy misy Malagasy na iray aza vonona hanao izany intsony.
R. Nd.