Randriamasinoro Ny Riana: « Tsy izahay no resy fa ny fahamarinana sy ny vahoaka »

Anisan’ireo antoko tonga teny amin’ny foiben’ny Vao­miera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) teny Ala­robia, ny antoko Tiako i Mada­gasikara (Tim). Nitarika izany ny sekretera jeneralin’ny antoko, Randriamasinoro Ny Riana. Hanao fampitoviana ny voka-pifidianana teo am-pelatanan’izy ireo, araka ny vokatra avy amin’ireo delegen’ny antoko amin’ny eo am-pelatanan’ny Ceni. Tsy nahazo valin-teny ma­hakasika izany anefa izy ireo. Izany indrindra no nilazan’izy ireo fa “Tsy izahay no resy fa ny fahamarinana sy ny va­hoaka no voahitsakitsaka zo”.
Asan’ny antoko politika no miady amin’ny fahamarinana sy mampiseho ny mangarahara, araka ny nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny antoko. Tsy hijanona hatreo anefa ny antoko fa hametraka fitoriana. Efa eo ampanangonana ireo antotan-taratasy mahakasika izany izy ireo ankehitriny.
Tetsy ankilan’izany kosa, na­maly ny avy eo anivon’ny Ceni, tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny, Soava Andriamarotafika, fa “taratasy ho an’ny filohan’ny Ceni no na­lefan’ny Antoko Tim ka izy ireo ihany no tokony hamaly azy”. Ao anatin’ny fitetezam-paritra fametrahana ny « Structure Pro­vinciale Ad’hoc de Traite­ment des Resultats des Elec­tions Communales » (Spartec) ny filohan’ny Ceni amin’izao ho fiantohana ny mangarahara amin’ny fifidianana.

Lin

Partager sur: