Safidin’i Madagasikara: “Vonjeo ny vahoaka malagasy”

Nandefa taratasy misokatra ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny eo anivon’ny antoko Safidy ho an’i Madagasikara, tarihin-dRakotoarijaona Nirina. “Nano antso avo aminareo mpiara-miombon’ antoka rehetra izahay mba hamonjena ny vahoaka, manoloana izao loza mihatra eto amin’ny firenena izao”, hoy izy ireo. Notanisaina an-taratasy ho an’ny sehatra iraisam-pirenena ny tsy fandriampahalemana, ny fitotongan’ny fanabeazana, ny olan’ny fahasalamana, ny tsy fananana asa. Eo koa ny fitotongan’ny fahefa-mividy sy ny fiakaran’ny vidim-piainana.
Momba ny fifidianana farany teo indray, nohitsin’izy ireo fa nanjaka ny kolikoly, ny tsy fanarahan-dalaàna ataon’ny fanjakana, ny fividianana ny safidy… “Natao ny fomba rehetra hampandaniana ny kandidà natolotry ny antokon’ny fitondrana”, hoy ihany izy ireo. Niantsoan’ny Safidin’i Madagasikara ireo mpiara-miombon’ antoka izany mba tsy hitazam-potsiny ka handray andraikitra manomboka izao, raha tena mpiara-miombona amin’ny vahoaka tokoa izy ireo. Nanterin’izy ireo fa efa tafahoatra izao zava-mitranga eto amin’ny firenena izao.

Synèse R.

Partager sur: