Tandremo ilay mirobaroba

 

Toy ny isam-bolana dia efa mirotsaka any anatin’ny kaontin’ny tsirairay any ny karama an’ireo mpiasam-panjakana. Tsy tara mihitsy ry zareo tomponandraikitra manafaingana izany noho ny filana. Hafa anefa ny volana desambra, tsy tokony ho hadino. Raha volan’ny famonjena hoy ny kristianina dia volan’ny fandaniana ihany koa. Volam-pety no dikany e! Hividianana lamba, hanaovana sakafo, hampifalifaliana ny vady aman-janaka, sns.
Tsy hidirana lalina ny fitantanan’ny isan-tokantrano. Tiana fotsiny anefa ny mampahatsiahy fa miantoka ny volana janoary iray manontolo koa ilay vola raisina dieny izao io. Tsy sanatrian’ny vava, vao hanomboka ny taona dia efa hibaby trosa. Fomba fiaina tsy mendrika ho an’ny olona te-hivoatra sy handroso ity ankihindrakindrana ity. Maha bokaboka fiainana ny hananan’olona vola.
Tanjona ny mba ho taom-baovao ho zina sy krisimasim-pifaliana ka aza mirobaroba. Tsy ny fihinanambe na ny fizahozahoana amin’ny lamba mamiratra no fahasambarana. Zava-dehibe ny fahafahana miaina anaty fitonian-tsaina mandritra sy indrindra ny aorian’ny fety. Fahaizana mankafy izay misy eo am-pelatanana dia efa izy izay! Tsy ny gisa mihorakoraka eo an-tokotany no maridrefy hilazana fa nahavita asaramanitra isika.
Ampahatsiahivina fa zava-dehibe ny fahaizana mitsinjo lavitra sy mitsinjo vodiandro ho merika. Zava-doza ny «60» andron’ny volana janoary. Iaraha-mahalala rahateo ny fitarozahan’ny famoaham-bola amin’io fotoana io. Vahoaka samy sahirana rahateo ka tsy hisy hifampitsetsitra eto. Samy manilika ny mavesatra eo anoloan’ny varavarany. Samy manavotra ny ainy, manao izay hahatafita ny sambokeliny.
Na izany na tsy izany, zara aza misy ny ho enti-manana ry zareo. Mason-tsokina masom-boalavo io ka izay kely hananana no hahirato! Aza mirobaroba!

r.r

Partager sur: