Tao aorian’ny fifidianana: “Marary ny firenena sy ny demokrasia”, hoy Randrianirina Ignace

Naneho ny heviny manoloana iny fifidianana ben’ny Ta­nàna ny 11 desambra teo iny ny filoha mpiara-mitantana ny MFM, Randrianirina Ignace na Ramasy. Nohitsiny fa betsaka ny lesoka tamin’izany. Nanom­boka tamin’ny fikarakarana ny fifidianana izany ka hatramin’izao hivoahan’ny voka-pifidianana izao. “Antony nahatonga anay miteny hatrany ny tokony hanadiovana ny tokotany aloha”, hoy izy. Nan­te­riny fa mitranga ny olana amin’izao fotoana izao. Maro ireo ny olo-pirenena noverezin-jo, araka ny nambarany.
Manoloana izany, notsindriny fa vita iny ny fifidianana. Tsy mifarana eo anefa izany ho azy ireo. “Tsy hitsahatra ny hi­te­ny kosa anefa izahay amin’ny maha mpanao politika ary mi­antso ny fanjakana foibe, ny fiarahamonim-pirenena. Ireo mpisehatra politika rehetra fa tena marary ny firenena amin’ny ankapobeny. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny fametrahana ny demokrasia”, hoy ihany izy. Anisan’ny efa novoizin’ny MFM ny tokony hirosoana amin’ny adihevitra eto amin’ny firenena hanatsarana ny tontolon’ny fifidianana, hisorohana ny tranga miseho sy mahazo laka amin’izao fotoana izao io.
Nambarany fa sarotra ny hananan’ny mpitondra voafidy fitokisana rehefa tsy mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny maro.

Synèse R.

Partager sur: