Hifarana anio ny atrikasa fandrafetana ny tetiandrom-pambolena ho an’ny taom-pahavaratra 2024-2025, ao amin’ny Ecole de formation des techniciens agricoles (EFTA) Ambatobe, izay naharitra hefarana. Hetsika tohanan’ny tetikasa fampifanarahana ny sehatra fambolena amin’ny fiovan’ny toetr’andro (PrAda-GIZ). Tanjon’ny atrikasa ny famolavolana ny tetiandrom-pambolena isam-paritra ho an’ny taom-pambolena 2024-2025 ka nafototra amin’ny voly vary, katsaka, voanjo, sakamalao, tsaramaso ary ampemba. Mifarimbona mandritra ny fivoriana ireo teknisiana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary nandray anjara koa ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro tamin’ny alalan’ny Meteo Madagasikara.
Ny vinavinan’ny toetr’andro dia manampy amin’ny fandrafetana ny tetiandrom-pambolena. Ho fanampiana ny mpamboly hahaizany mandray fanapahan-kevitra ka hanatsarana ny vokatra, sy hiatrika ireo fanamby ara-tontolo iainana.
Hivoaka tsy ho ela ny tetiandrom-pambolena ho an’ny taom-pahavatra 2024-2025, ho fitaovana ho an’ny tantsaha amin’ny fandaminana ny vanim-potoana fambolena.
Vonjy