Nandalo mpitsabo avokoa ireo olona 85 niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo tao amin’ny fokontany Ambohimiarina, kaominina Andilanatoby, distrikan’ Ambatondrazaka, omaly. Henan’omby narary namidy teny an-tsena no voalaza ho niteraka ny loza. Voatery nentina namonjy ny CSBI tao Ambodinonoka avokoa ireo lasibatra.
Telo mianadahy mpangalatra moto tra-tehaky ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny DRSP Sava, afakomaly. Narahin’ny polisy ireo olona voarohirohy ho nangalatra moto. Voasambotry ny Fip ny iray. Noterena hitoroka ny namany izy ka roa hafa voasambotra. Vehivavy ny iray.
Telo lahy nitaingina moto Jog izay efa samy mamo nandositra zandary ka voasambotra teny Ambohidratrimo, afakomaly. Tsy nisy nanao aro loha, nosanakan’ny mpitandro filaminana izy telo lahy saingy nandositra. Narahin’ny zandary ka tratra. Tsy nahitana taratasy koa ny moto.