VAOVAO TAMBATRA

Vidina 2 600Ar ny kilaon’ny vary Stock, 3 560Ar kosa ny iray kilao amin’ny vary Makalioka raha 3 160Ar ny vary Semance sy ny vary gasy mavokely eny amin’ny tsenan’Anosibe. Manana safidy ny mpanjifa amin’ireo karazam-bary tiany araka ny fahefa-mividiny. Na izany, tokony hifampitsinjo ny samy Malagasy ialana amin’ny fanararaotana.
Tanterahana ao amin’ny faritra Diana manomboka ny 20-22 desambra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra (JIR) andiany faha-10. Hetsi­ka hanandratana avo ny toekarena sy ny vokatra mampiavaka an’i Madagasikara. Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe « faritra Diana foibe fampiasam-bola ho an’ny toekarena lovainjafy ».
Manampy betsaka ny fitsaboana maimaimpoana omen’ny orinasa Ambatovy an’ireo mponina mipetraka manodidina ny toeram-pitrandrahana ao Moramanga. Manodidina ny 800 ireo olona nisitraka fizaham-pahasalamana sy fanafody maimaimpoana. Hetsika ataon’Ambatovy hanatsarana ny fampandrosoana ny sosialim-bahoaka.
Mandroso ny fanarenana ny lalana tena ratsy amin’ny lalana RN33B. Miainga eo Andra­no­fasika (RN4) hatrany Ambatoboeny, mirefy 20 km, hatreo amin’ny « radier », misy ny bac fiampitana. Nampitomboan’ny orinasa ny mpiasa sy ny fitaovana, mba ho vita mialoha ny fiavin’ny orana.

Partager sur: