Voka-pifidianana : Takin’ny KMF/Cnoe ho isaky ny biraom-pifidianana

Nisy ny tsy fahatombanana tamin’ny fifidianana farany teo… Manoloana izany, takin’ny KMF/Cnoe ny famoahana ny vokatra isaky ny biraom-pifidianana rehetra.

Tsy resy lahatra amin’ny famerenana ordonansa ny fikambanana fa kajikajy politika sy manakorontana, araka ny fanambaran’ny KMF/Cnoe KMF/Cnoe Fana­beazana olom-pirenena. “Fifi­dianana fanoitry ny fampandrosoana no mendrika ny Ma­lagasy”, novakin’ny filohany, i Namearison Robert, teny Anta­­­nimena, omaly, momba ny fifidianana kaominaly sy mo­nisipaly tamin’ny 11 desambra. Tsy misy lalàna milaza fa ny lehibem-pokontany no mi­tondra fangatahana eny amin’ ny fitsarana. Voaporofo fa ma­nana loko sy firehana politika ny ankamaroan’ny lehibem-pokontany. Vitsy ny mpifidy nandray anjara tamin’ny latsa-bato. Na ireo nisoratra tamin’ny ordonansa aza, mbola misy tsy tonga nifidy ny maro. Tena nahim-po ve ny nangataka ordonansa?
Nisy ny fifamadihan’ny ta­ratasy nikirakirana fifidianana tamin’ny androm-pifidianana. Nisy fizarana Tickets sy fandraisana anarana mpifidy hahazoana vary sy fanomezana hafa, bileta efa voamarika mialoha tany Antafinambiatra, Daresalam (Nosy Be Hell Ville), Ambohitsoa (Antananarivo II), Anosibe (Antananarivo IV). Lasa fampiononan-tsain’ny kandidà resy ny filazana fa misy nangalatra ny vatony, nefa tsy mitondra ny raharaha any amin’ny fitsarana. Manjaka ny tsy fahatokiana ny fitsarana amin’ny raharaham-pifidianana sy ny rafim-pifidianana misy.
Noho izany, mitaky ny voka-pifidianana isaky ny biraom-pifidianana rehetra ny KMF/Cnoe, fanajanonana tsy misy hatak’andro ny fifandranitana, fampiharana ny lalàna manan-kery, fanatanterahana ny fifidianana izay hitondra ny Faritra, fanendrena ny ho lehibem-pokontany aorian’ny fifidianana… Manamafy ny tsy maintsy hanatsarana ny rafi-pifidianana hamerenan-kasina ny fifidianana ny KMF/Cnoe.

R. Nd.

Partager sur: