World Music : Hisehatra an-tanindrazana i Fety

Mety anarana vaovao amin’ny maro… Saingy tsy vaovao eo amin’ny tontolon’ny mozika i Fety. Mpanakanto malagasy efa nanoritra ny lalany any ivelany any izy, saingy tsy manadino ny fototra nipoirany. Antony lehibe nanokanan’i Fety fotoana roa, hizarany ny mozikany ho an’ny mpiray tanindrazana izany. Ny voalohany raham­pitso 19 desambra, etsy amin’ny Cités des Cultures Antaninarenina. Hizara roa io fotoana io, ka hanokatra izany ny “masterclass” hotarihiny manomboka amin’ny 5 ora sy sasany. Hanaraka izay kosa ny fampisehoana amin’ny 7 ora alina. Ny zoma 20 desambra ny seho faharoa, manomboka amin’ny 8 ora, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasa­nimalo.
Tanora mpitendry anisan’ireo sangany amin’izao fotoana izao no hanaraka an’i Fety an-tsehatra. I Njaka Rakoto­nirainy eo amin’ny vata maroafitsoka, Fetrakely eo amin’ny gitara, Tsito hiangaly ny gitara beso, Sandratra eo amin’ny amponga maroanaka, Naly sy Nomentsoa hisahanany zavamaneno tsofina ary ry Fifi, Linah sy jakinah kosa no hanaingo amin’ny feno lafika. Tsy mahagaga intsony fa vao mainka kosa mahafaly ireo mpankafy mozika, satria saika ireto mpanakanto mpitendry ireto hatrany no mahafeno ny fepetra takin’ireo mpihira avy any ivelany mandalo eto Madagasikara.
Mirona amin’ny world music, mandalo ny soul, jazz, gospel, sns, izay manasongadina ilay feony miavaka ny gadon-kira ilomanosan’i Fety. Marina fa namerina hirana mpanakanto vahiny maro izy, saingy mpamoron-kira ary efa manana betsaka koa izy. Efa namoaka rahateo rakikira voalohany, nampisalorany ny hoe “Mozikako” i Fety, izay efa niarahany tamin’ireo mpanakanto mpitendry malagasy. Te hizara ireo sanganasany amin’ireo mpankafy eto Madagasikara rahateo ity mpanakanto ity, mandritra izao fandalovany izao.

Zo ny Aina

Partager sur: