Antananarivo ; anio no hamoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika

Ho fantatra anio ny ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna eto amin’ny faritanin’Antananarivo. Havoakan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika.

Raha tsy misy ny fiovana, anio no hamoahan’ny Ceni ampahibemaso, eny Alarobia, ny voka-pifidianana vonjimaika tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna no­tanterahina tamin’ny 11 de­sambra. Ho an’ny farita­nin’ Antananarivo io, fa eny anivon’ny rafitra manokana mpikirakira sy mamoaka voka-pifidianana (Spatrec) isaky ny renivohi-paritra ny famoahana ny voka-pifidianana. Andrasana fatratra izay voka-pifidianana izay, indrindra ho an’Anta­nanarivo Renivohitra, ohatra: mahabe resaka eo amin’ny tontolo politika. Misy aza mahita sy milaza fa latsa-bato politika no nataon’Antana­na­rivo Renivohitra, tandindomin’ny hoe hanahirana ary ahina ny korontana politika raha tsy miara-dia amin’ny fitondrana ny lisitra kandidà voafidy eo. Na izany aza, mazava ny voka-pifidianana vonjimaika fa mitarika ny lisitra kandidà Irmar tarihin’i Harilala Rama­nantsoa. Izay vao manaraka azy ao ny lisitra kandidà Tim, tarihin’ny zanaky ny filoha mpanorina ny antoko, Rava­lomanana Tojo. Hisy fiovana amin’ny fotoana farany?
Ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana isaky ny renivohi-paritany no mamoaka ny voka-pifidianana tena izy na ny voka-pifidianana ofisialy. Na ahoana na ahoana aloha, voahajan’ny Ceni ny tetiandro hamoahana ny voka-pifidianana vonjimaika. Voalaza fa ny 24 desambra no hamoahany izany. Nefa azo atao ny mamoaka azy mialoha, raha vita alohan’izay ny fikirakirana. Manana iray volana eo ho eo, ny 25 desambra hatramin’ny 23 janoary 2025, ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana sy ny hamoahany ny vokatra ofisialy.

R. Nd.

Partager sur: