Fahasalamana : Nitondra fahombiazana ny tetikasa RISE

Naharitra 4 taona ny tetikasa RISE izay nisehatra tamin’ny tontolon’ny fahasalamana, indrindra ny fanaraha-maso ny valanaretina. Nitondra fanatsarana teo amin’ny sehatry ny fikarohana ny tetikasa.

Nifarana ny tetikasa Re­search, Innovation, Surveillance and Eva­luation (RISE), nanampy be­tsaka ny sehatry ny fahasa­lamana teto Madagasikara. Tetikasa novatsian’ny USAID vola mitentina 8 tapitrisa do­lara.
Niompana tamin’ny fanaraha-maso ny areti-mifindra ary nanampy tamin’ny fiso­rohana sy ny fitiliana toy ny Covid-19 sy ny pesta.
Nametraka foibe fanaraha-maso biolojika miisa 31 manerana ny faritra 21 ny tetikasa. Nanamafy ny fahaiza-manao tamin’ireo fandaharam-piofanana miisa 30 nokarakaraina. Mpandray anjara miisa 1 200 no nisitraka izany tao anatin’ ny dimy taona. Vehivavy avokoa ny 57% amin’izy ireo ary ny 85% dia mpiasan’ny mini­siteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Niompana tamin’ny fikarohana momba ny fomba fiasa sy fikarohana klinika ary fanadihadiana lalina momba ny valanaretina ireo fiofanana ireo.
“Tsy vitan’ny hoe nahatratra ny tanjony ity tetikasa RISE ity fa modely ho an’ireo teti­kasa ho avy ihany koa”, hoy i David Parks, tale mpisolo toerana misahana ny sampana fahasalamana eo anivon’ny USAID.
Tanjon’ny tetikasa ny ha­natsara ny fandraisana fanapahan-kevitra mifototra amin’ ny fampiasana tahirin-kevitra ara-kalitao momba ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka indrindra ny mahakasika ny ady amin’ny tazomoka. Eo koa ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny fandraisana an-tanàna ny sehatra ara-pahasalamana amin’ny ankapo­beny.
Nisongadina, araka izany, ny asa fikarohana sy ny fana­tsarana ny rafitra ara-paha­salamana eto Madagasikara tamin’ny alalan’ny tetikasa natao nandritra ny 4 taona.
Manamafy ny fahavono­nany hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara i Eta­zonia eo amin’ny fanaraha-maso ny valanaretina.

Tatiana A

Partager sur: