Fanandratana ny vehivavy: Nivoaka ny boky « Elles, pionnières aux mille et une facettes »

Boky iray manandratra, manasongadina ary mampahafantatra vehivavy maromaro ny « Elles, pionnières aux mille facettes », izay vao nivoaka tamin’ity herinandro ity. Navoakan’ny Total Energies Marketing Madagasikara, nifanandrify tamin’ny fankalazana ny fahazato taonan’ity kaompania ity. Tohin’ilay horonantsary « Femmes aux mille et une facettes » ny boky, izay mitovy tanjona ihany koa.

Vehivavy malagasy miisa 15, samy manana ny maha izy azy, no nosafidiana hasongadina anatin’ity boky ity. Manana fijery mitovy, ny hihoatra ny fefy napetraky ny fiarahamonina, mba hanokatra ny lalana ho an’ny hoavy mamiratra. Samy manana ny tantarany, izay maneho ny harena sy ny fahasamihafan’ ny talenta amam-pahaizan’izy ireo.
Manentana ny mpamaky hahafantatra ny tantara mahaliana, araka ny fizaran’ireo vehivavy notsongaina azy ny boky.
Fiaraha-miasa eo amin’ny Total Energies marketing Ma­dagasikara sy ny tambajotra Twixe ary ny Fireflies ny boky. Anisan’ireo orinasa manome lanja ny vehivavy, ny asany sy ny talentany ny TotalEnergies marketing madagasikara. Nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy izy ireo tamin’ny 8 marsa lasa teo, ka vehivavy 41 avy ao amin’ny Total Energies Mada­gasikara no niaraka tamin’ilay mpanao hosodoko Slee­ping Pop, sy ilay mpanatontosa sarimihetsika Felana Rajaonarivelo, nanatontosa hosodoko lehibe, ho fanomezam-boninahitra ny mpanjakavavy Binao. Anisan’ ireo kisary mandravaka ny boky “Elles, pionnières aux mille et une facettes” izany sanganasa izany.

Zo ny Aina

Ireto avy izy ireo no hita ao anaty boky:

– Bako Rasoarifetra (mpahay tantara)
– Denise (mpanakanto)
– Francine Randrianasolo (mpamily fiarabe)
– Haingonirina Joëlle Horace (miaramila mpitsabo sy mpandidy)
– Henintsoa moretti Rakotomalala (mpahay nahandro)
– Lahatra Nomenanjanahary (mpanoratra, mpanorina ny ONG Lahatra)
– Lalarisoa Ginna Raelinirina
(mpanamory helikoptera)
– Lova rabary Rakotondravony
(mpanao gazety sy mpampiofana)
– Luana Karen Andriamamonjy
(mpamorona jeux videos)
– Marie-Zenaïde Lechat Ramampy
(polisy, vehivavy kaomisera voalohany)
– Michèle Rakotoson (mpanoratra)
– Onjatiana Razafindrakoto (tale jeneralin’ny orinasa lehibe iray)
– Rinarisandy Andrianavalona
(avitailleuse voalohany aty Madagasikara)
– Rosina Randafiarison (atleta)
– Zara Randriamanakoto (mpahay kintana).

Partager sur: