Nametraka fitoriana amin’ny alalan’ny dosie matevina miaraka amin’ny porofo eny amin’ny tribonaly miady amin’ny fanjakana, Anosy, ny kandidà Ravalomanana Tojo. Nisolo tena azy teny an-toerana nanatitra izany ny mpisolovava sy ireo depiote ary ireo kandidà mpanolotsain’ny Tanàna eo anivon’ny Tim.
Naneho ny heviny momba ny fifidianana ny kandidà Gascar Fenosoa. “Tsy manenjika bontolo, na manohitra amboletra izahay fa aleo iaraha-mijery ny antontanisa”, hoy izy. Nohitsiny fa mbola mikendry ny maro anisa eo anivon’ny Antenimierandoholona ny fitondrana ka manao hosoka sy tsy fanarahan-dalàna, araka ny nambarany.
Mandresy ary mitarika amin’ny salanisa mavesatra ny kandidà Ravalomanana Tojo, araka ny nambaran’ny mpitarika ny RMDM, ny pasitera Tsarahame Edouard, tetsy Bel Air, afakomaly. Nanteriny fa na ny Ceni no tsy manara-dalàna. “Na ny kandidà nanao hosoka betsaka no tokony hahintsana”, hoy ihany izy.
Voatendry ho “Directeur des ressources humaines” eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Rakotomananjo Solohery Vatosoa Nandrianina, araka ny didim-panjakana nolaniana tao amin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly. Nankatoavina koa ny lohahevitry ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny COI hatao eto amintsika.