Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 22 desambra izao ny « Festival Sakaleona » andiany voalohany. Ny fikambanana Mbarakaly, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, no mikarakara azy. Natao hampiroboroboana ny zavakanto sy ny kolontsain’ny distrikan’i Nosy Varika izy ity. Tanjona ao anatin’ izany ny fampahafantarana bebe kokoa ny distrika. Eo ihany koa ny fisintonana ireo mpandraharaha sy mpizahatany ho tombontsoa ara-toekarena any an-toerana.
Renirano mamakivaky ny distrikan’i Nosy Varika ny Sakaleona. Tafiditra ao anatin’ireo harembako-pirenena miisa 193 eto Madagasikara izy. Izany no anisan’ny antony nampitondrana azy ny anaran’ny hetsika. Ny “mamoa mandry” no hanokafana izany anio. Hitohy amin’ ny fifaninanana ara-panatanjahantena maro samihafa. Eo ihany koa ny hetsika ara-javakanto sahala amin’ny Vakodrazana. Hisy ny fitetezana ireo toerana manan-tantara ao Nosy Varika mandritra ireo fotoana ireo. “Sehatra anisan’ny mampanankarena an’i Madagasikara ny zavakanto sy ny kolontsaina ka tokony ho tohanana hatrany”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Mara Volamiranty Donna.
Lin