Ho fanamafisana ny fahafahan’i Madagasikara miatrika ny ambana ara-pahasalamana, manohana antsika amin’ny fampandehanana ny centre opérationnel des urgencies de santé publique ny CDC Afrika. Tapaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra fa ny fanjakana no hanome fitaovana io ivontoerana io. Manampy amin’ izany sy ny fanofanana ny mpiasan’ny fahasalamana ny CDC Afrika.
Misokatra ny fivezivezen’ny entana an-dranomasina ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana hentitra fa tsy mbola mahazo midina kosa ny tantsambo. Tsy maintsy mandalo ireo fepetra chimio-prophylactique ireo mpandeha avy any Kaomoro na ana habakabaka na an-dranomasina ary tsy maintsy mandalo fihibohana 15 andro.
Omena sehatra ny varotra sy fampirantiana mandritra ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona. Nanomboka ny alatsinainy 16 desambra 2024 ary hifarana ny alakamisy 02 janoary 2025 ny Bazar de Noël. Toerana maromaro no ahafahan’ireo mpivarotra sy mpanao asa tanana ary ireo mpiantsena mifampitaona.