Ho fanomezana fahafaham-po ny mponin’Antananarivo dia horavahina jiro manamarika ny fetin’ny Krismasy ny eny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo. « Noelin’ny fitia » no hiantsoana ny hetsika amin’ity taona ity.
Hisokatra anio hariva ny fitsidihana maro loko ka hifarana ny 5 janoary. Misokatra ho an’ny rehetra manomboka amin’ny 7 ora hariva hatramin’ny 10 ora alina ny toerana. Hisy ny vidim-pidirana amin’ny sarany 500 ariary ary hisy sakafo amidy ihany koa eny an-toerana. Fiaraha-miasa miaraka amin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry sy ny vadiny ary ny CUA no hanaovana ny hetsika.
Tsy hisy intsony, araka izany, ny fandravahana ny toerana eny Ambohitsirohitra sy Antaninarenina fa eny Ambohijatovo avokoa ny hetsika rehetra.
Tatiana A