Naneho ny heviny manoloana ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo ny kandidàn’ny antoko Fy-M. Hentitra sy nahitsy ny nambarany ny amin’ny tokony hananana fahasahiana hanova sy handraisana andraikitra. “Foano ny fifidianana teo iny ary avereno”, hoy izy.
Nanteriny fa very fanahy mbola velona ny Ceni, torakovitra, mipararetra ary tsy mahita ny hatao manoloana ny fandikan-dalàna mihoapampana. Notanisainy tamin’izany ny fanamboarana ny lisitra sy ny tsy fanomezana izany hojeren’ny kandidà. Ny fanaovana ordonance hahazoana mifidy, tsy mangarahara ka nahazoan’ny sasany nifidy indroa na intelo. “Eo koa ny fanaovana ordonance faobe tsy manara-dalàna ho an’andian’olona na sivily na mpitandro filaminana. Ny fividianana ny olona amin’ny kolikoly ankalamanjana ka hanomezana vary, vola, karatra lazaina fa hahazoana vola hozaraina”, hoy izy. Manampy trotraka ny fanovana amboletra, ny fanesorana tsy amin’antony, ny mpitantana eny amin’ny fokontany, ny fiparitahan’ny biletà sandoka efa misy safidy voamarika. Ny fampiasana ny fahefam-panjakana avy amin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga.
Nohitsiny fa ho sahirana ny Ceni. Hizaka ny fahatezeran’ny fanjakana raha hanafoana ny fifidianana. Tsy ho vita anatin’ny fotoana voafetra koa anefa ny fanarenana ny tsy ara-dalàna marobe raha tsy hanafoana iny fifidianana iny izy ireo. “Hijanona amin’ny vokatra efa toherin’ny maro fa feno hosoka ny Ceni ka hampifandona ny mpifaninana sy hampiditra krizy izany. Fantatra ny ho vokany fa ady an-trano sy fifamonoana ary hampitombo ny fahantrana”, hoy ihany izy.
Namaranany izany ny antso nataony amin’ny tokony hananana fahasahiana hifidy ny lalana sarotra amin’ny alalan’ny famerenana ny fifidianana.
Synèse R.