Karate-“Challenge du Sud Est” : Miaraka misalahy ny ligy telo

Hanomboka, anio, any Manakara, ny fifaninanana “Chal­lenge du Sud-Est”, taranja karate. Efa vonona tanteraka ny fandraisana ity fifaninanana ity izay hiarahan’ny ligy telo mikarakara dia ny ligin’i Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Fifanina­nana efa nanomboka omaly ary hitohy anio sy ny rahampitso. Araka ny efa nampahafantarina, ity no fifaninanana farany ho an’ny taranja karate, amin’ity taona 2025 ity ary nomena ireo ligy 3 ireo ny fikarakarana mba ho fanapariahana ny taranja manerana ny Nosy, araka ny vinanasan’ny Federasion’ny Karate malagasy (FKM). Tsiahivina fa efa tany an-toerana hatramin’ny omaly ny eo anivon’ny federasiona, tarihan’ny filohany, Ratefinanahary Emile, manara-maso sy manampy amin’ny fanomanana ity fifaninanana ity, mampiseho fa manohana sy manampy hatrany ny FKM amin’ny fifaninanana karakarain’ny Ligy, eo amin’ny taranja karate. Manamafy ihany koa ny federasionina fa ankatoavina avokoa rehefa fifaninanana na hetsika entina manatsara sy mampiroborobo ny taranja ka mifanaraka amin’ny tanjona napetraka. Hikatona tanteraka amin’ity “Challenge du Sud Est” ity ny taom-pikatrohana 2024 ho an’ny Federasionin’ny karate malagasy.

Mi.Raz

Partager sur: