Naiditra am-ponja eny Antanimora, omaly, rehefa avy natolotra ny fitsarana ilay lehilahy voarohirohy ho nampiasa vola sandoka tratra teny Antohomadinika. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, ny 12 desambra 2024 tamin’ny 3 ora sy 50 mn maraina, nisy olona nampandre haingana ny polisy ao Antaniavo fa misy olona mampiasa vola sandoka eo Antohomadinika Tsenan’ny atody. Nandeha haingana teny an-toerana ny polisy ka tratra teo am-pividianana atody mihitsy ilay lehilahy. Nosamborin’ny polisy izy ka nentina namonjy ny poste de police Antaniavo hanaovana fanadihadiana. Nahitana vola sandoka mitentina 320 000Ar amina ravim-bola 20 000Ar, miisa 16, tao anaty kitapony nandritra ny fisavana azy. Nilaza izy nandritra ny famotoran’ny polisy fa misy lehilahy iray manome azy vola sandoka 20 000Ar atakalo vola tena izy 10 000Ar. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nambarany tamin’ny polisy fa hoe efa faninefany amin’izao izy no nanao vola sandoka. Mpivarotra maromaro no lasibatr’ity jiolahy mpanao vola sandoka ity teo an-tsena fivarotana atody. Mbola maizimaizina rahateo ny andro ka nanano sarotra tamin’ireo mpivarotra ny nanavaka ny vola tena izy sy ny tsy izy. Saingy, fantatra ihany taty aoriana rehefa niverimberina teo an-tsena ilay jiolahy. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy hikarohana ilay lehilahy mpanaparitaka vola sandoka sy ny namany hafa.
J.C