Raim-pianakaviana iray, 30 taona, no maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Ivandry. Voalaza ho nandeha mafy izy, tsy nahafehy ny familiana, araka ny fampitam-baovao.
Mpitondra moto iray indray no maty tsy tra-drano afakomaly, teny Ivandry. Teny amin’ny lalana mifanila amin’ny masoivohon’i Rosia no nisehoan’izany. Voalaza fa sodokan’ny lalana malalaka, mampitohy ny Coliseum Analamahitsy sy Ivandry izy. Nanamafy izay rahateo ny fampitam-baovao azo avy amin’ny tomponandraikitra nampita ny vaovao sy nanao fizahana teny an-toerana.
«Raha ny fizahana teny ifotony dia nandeha mafy izy. Nipitika teny ambonin’ny kodiaran-droa notaingenany, ary notsenain’ny arabe izy. Nitontona tamin’ny tany ka vaky tanteraka ny lohany. Niezaka hanavotra azy ireo nanatri-maso saingy tsy nisy azo natao intsony. Voa mafy, niafara tamin’ny fahafatesany izany”, hoy ny loharanom-baovao
Tsy fanarahan-dalàna
Tao anatin’ny telo andro, lozam-pifamoivoizana telo samihafa nitranga ho an’ny teto an-dRenivohitra. Fiara tsy mataho-dalana iray nifatratra tamin’ny vy, tongotry ny teleferika, teo Antanimena, omaly maraina. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara. Ankoatra io, kamiaobe nifatratra tamin’ny taxi 2 CV teo Manjaka Ilafy, ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Raha fehezina, saika fandehanana mafy avokoa no nahatonga ny ankamaroan’ireo loza niseho. Fanampin’io ny tsy fanarahana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ho an’ireo mpampiasa moto. Ilaina ny fahatongavan-tsain’ny tsirairay ahafahana misoroka ny loza tahaka izao. Voakasik’ izany ny mpandeha an-tongotra, ny mpitondra moto sy mpitondra fiara.
Tsiferana R.