Raha omena toerana tsara: fitaovana hoenti-manampy fa tsy vesatra ny kolontsaina

Ny firenena osa, marefo kolontsaina. Firenena matanjaka, manana kolontsaina matanjaka. Atosiky ny tanjaky ny toekarena ny fivelaran’ny kolontsaina. Tahaka ireo hatrany no heno. Tahaka ny tsy misy ilana ny kolontsaina mihitsy eo amin’ny firenena iray!

Na nalentiky ny vahiny mafy ao an-tsain’ireo mponina tany amin’ny tany nozanahiny aza ny hoe: « firenena mahantra, marefo kolontsaina », efa tokony hahadingana izany ny Malagasy. I Madagasikara rahateo tsy mahantra velively fa manan-karembe na ambonin’ny tany na ambanin’ny tany, na anaty rano… Mila manaiky ihany koa ny Malagasy fa fitaovana hoenti-mampandroso firenena ny kolontsaina fa tsy ny tanjaky ny firenena no hanosehana ny kolontsaina handroso.
Ny fandraisana ny kolontsaina ho fitaovana hoenti-manampy mihitsy no tsy mbola kolontsain’ny Malagasy. Miandry an’i Mada­­gasikara hatanjaka ve vao « mitetika » ny hampatanjaka ny kolontsaina? Raha ity « kilalao politika » eto Madagasikara ity, miampy ny « kajikajy politikan’ny vahiny », rahoviana no hatanjaka i Madagasikara? Ireo fitaovana (harena an-kibon’ny tany, ambonin’ny tany, an-dranomasina, kolontsaina, toerana manan-tantara…) hoenti-mampatanjaka azy aza toa tsy fantatry ny Mala­gasy lazaina fa tompony akory ny fisiany?
Raha ratsy ny fitaovana, tsy ho lasa lavitra

Toy ny fitaovana rehetra hoenti-miasa ny kolontsaina. Raha tsara io, ho tsara ny vokatra. Raha tsizarizary ny fitaovana, tsy ho afaka ny hanantena zavatra goavana ny Malagasy. Tsy izay anefa ny zava-misy fa sady tsy asiana vidiny sy lanjany ilay fitaovana no vao mainka haratsiana sy potehina ary avela ho ny hafa no hampiasa azy. Tsy mahagaga raha tsy mitera-bokatsoa loatra ho an’i Madagasikara ny kolontsainy.
Raha niaina fa tsy nanary ny kolontsainy ny Malagasy, tsy ho gisitra tahaka izao i Madagasikara. Ananany ny firaisan­kina, fihavanana, fifanampiana, fanajana ny fady isan-karazany, fifanomezan-kasina, fomba amam-panao, tahotra an’Andria­manitra Andriananahary… Saingy nariana ireny ka nosoloina ireo randrana tsy manendrika ny tena, hany ka nifamadika sy mifamadika ary ahina mbola hifamadika foana ny rasa!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: