SOMBIM-BAOVAO

Nametra-pialana tsy ho tale teknika nasionalin’ny taranja tenisy ambony latabatra Rakotoarisoa Tahiry, ny talata lasa teo. Mahagaga ny mpankafy ity fanapaha-kevitra ity, raha ny vokatra no jerena, nahavita nanome ny tsara indrindra avy aminy ity teknisianina ity, porofon’izany ny naha tompondakan’i Afrika an’i Madagasikara, tamin’ny lalao isan-tarika, izay natao tany Botswana, ny volana jolay lasa teo.
Notontosaina ny alarobia teo, tao amin’ny Kianja Lusail Qatar, ny famaranana ny fiadiana ny amboara kaontinantaly, taranja baolina kitra. Norombahin’ny ekipa espaniola, Real Madrid, izany rehefa nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0, ny klioban’ny Pachuca Mexique. Tsara marihina fa voafidy ho mpilalao mendrika tamin’izany i Vinicus Junior, brezilianina milalao ao amin’ny Real Madrid.
Nanomboka omaly ary hitohy anio ny “Tournoi de l’Océan Indien” taranja Échecs, izay hatao any La Réunion. Manana solontena 6 mianadahy i Mada­gasikara, ahitana an’i Sedra, Noah, Maël, Christiana, Miarana ary i Nivohasina.
Hanomboka ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara taranja Judo sy fifaninanam-pirenena 2024. Ny kata sy ny “Coupe de Madame”, sokajy Vétérans, no hatao anio raha rahampitso sy amin’ny alahady kosa ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly sokajy Minimes hatramin’ny Seniors.

Partager sur: