TARATRY ny KANTO

Hiaka-tsehatra eny amin’ny Arkadia Anala­kely indray ny Be Tige Teams, anio. Hisy ny seho iarahana amina mpanao hatsikana Stand Up miisa enina, avy amin’ny Be Tige Comedy. Handray anjara amin’ izany ry Lanja Babeine, Raytra, Tsiresy. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fampivelarana sy fampiroboroboana ny Stand Up eto Madagasikara izy ity.
“Izay zany concert”, iarahana amin’ny An­tsabey sy Vain’Af. Mpanakanto samy nivoaka tao amin’ ny Alliance française Toaliara ry zalahy ireto, izay hiverina kely hisehatra ao amin’ny Vakok’Arts Trano, anio manomboka amin’ny 7 ora hariva. Efa manana ny lazany, ary manomboka mikatsaka ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena raha i Antsabey manokana.
“Da Hopp Live”, eny amin’ny In Square Am­batobe. Manome fotoana ireo mpankafy ny rap gasy fototra, na ny “old school” ry Jento, Ben J, Taxx, anio manomboka amin’ny 9 ora alina. Raikitra ihany ny fotoana na niova toerana aza. Tsy mampiova ny tolotra homanin’ireto zokiben’ny rap gasy ireto izany, izay hiverenana indray any amin’ireo taona maro efa nivalona.
Annick Dillie, eny amin’ny Chez Poony Lodge Iavoloha. Fiverenana kely any amin’ny taona 90, ani­san’ny vanim-potoana nampamirapiratra ny Rock mala­gasy, sy nahitana ny tarika Dillie, izay nikambanana vehivavy ranofotsiny. Iray tamin’ireny i Annick, izay hitarika ny revivevy, tafatafa, resadresaka ary mozika amin’ io fotoana io.

Partager sur: