Voasambotry ny polisim-pirenena ny jiolahy raindahiny amin’ny asa fanendahana miharo herisetra teny amin’ny tetezan-dRamala, Antohomadinika Atsimo, ny alin’ny talata 17 desambra teo. Nanao fisafoana amin’ny alina ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny boriborintany fahefatra. Nifanehatra tamin’io lehilahy io izy ireo. Nikasa handositra avy hatrany ity farany ka nosamborina. Nampiahiahy rahateo ny fihetsiny. Nosavaina, nahatrarana antsy tany aminy. Natao fanadihadiana, niaiky heloka io jiolahy io. Nikasa hanao asa fanendahana teny amin’ny faritra manodidina izy nandritra io alin’ny talata io saingy izao sendran’ny polisy izao. Nentina natao famotorana, natolotra ny fampanoavana ka nidoboka am-ponja ilay olon-dratsy. Tsiahivina, miseholany ny tranga fanendahana miharo herisetra eny amin’ireo faritra voasokajy ho mena, toy ny eny Anosibe, Namontana, 67 Ha sy Ankazomanga ary ireo toerana hafa eto an-dRenivohitra.
Tsiferana R.