TSELATRA

Voasambotry ny polisy ny tovolahy iray nahatrarana basy Kalachnikov tao Ambohitsoa, ny 15 desambra 2024 teo. Zandary nanao sakana teo Ambohitsoa no nahatratra azy. Natao ny fisavana ny fitoeran’entana. Nahitana basy Kalachnikov iray, boite chargeur iray sy bala 29 tao anatin’io taksiborosy mampitohy an’Analavory sy Tsiroanomandidy io. Lasa nitsoaka avy hatrany izy saingy tratran’ny polisy ihany.
Nitsoraka tao amin’ny ranon’Anosy ny jiolahy iray nikasa hamaky ny baoritra lehibe misy jiro mirehitra mandravaka ny lalana eo Anosy, akaikin’ny Tafika ana habakabaka. Noheveriny fa misy zavatra ao anatin’io baoritra be io ka nokasainy hovakiana. Kanjo, nisy olona nahita izy. Tsy hita intsony ny nanjavonany rehefa nitsoraka tao anaty rano.

Partager sur: