« Vonjeo ny fampianarana »: Sehatra handraisana ny hevitry ny rehetra

Nanao antso « Vonjeo ny fampianarana » ireo mpisehatra eo amin’ny fanabeazana eto Madagasikara, omaly, teto Antananarivo, ka mpitondra teny, Ramakavelo Geneviève. Antso miantefa amin’ireo re­hetra voakasiky ny fanabea­zana, manomboka eny amin’ ny ambaratonga fototra hatramin’ny fampianarana ambony. Efa misy ny vovonana ahitana ny lafin-kery samihafa (sendikà Sempama, sekoly tsy mian­kina…) mitarika ny hetsika ha­hazoana fampianarana mendrika ka mila ny hevitry ny maro. Hahatongavana amin’ny tanjona, ilaina ny miverina eny ifo­tony ka ireo voakasika no mi­tondra ny olana sy ny va­haolana. Mizara telo ny sokajy: mpianatra, mpampianatra ary ny ray aman-dreny sy ny tomponandraikitra izay samy ha­nolotra ny maharary azy.
Hanokatra sehatra iray ahafahana mizara ny hevitra ao anatin’ny tambajotran-tserasera ny mpikarakara ary hitohy amin’ny fihaonambem-pirenena ahitana ny mpisehatra rehetra ny hetsika, araka ny fanazavana azo. Afaka mandefa hevitra mitondra vahaolana hanatsarana ny fampianarana ao amin’ny www.fampianaranamen­drika.mg ny isam-batan’olona.
Havondrona ny vahaolana rehetra isaky ny sokajy ary hoentina amin’ny fihaonambem-pirenena hampandrosoana ny fanabeazana eto Madagasikara. Samy mahatsapa ny daholobe fa marary ny fanabeazana ka mila fitsaboana anatin’ny fotoana fohy.

Vonjy

Partager sur: