Nankalazaina teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy Ampahibe, omaly, ny Noelin’ny minisitera. Fotoana nifampizarana hafaliana niaraka tamin’ny mpiasan’ny minisitera sy ny ankizy. Niantomboka tamin’ny fotoam-pivavahana izany, narahin’ny fanomezana sehatra manokana ny ankizy tamin’ny alalan’ny fampisehoana seho an-tsehatra, tsianjery sy hira. Nandray anjara tamin’izany koa ireo zaza kambotin’
ny Tafika Malagasy. Nanome voninahitra ny fety ny MFA, ny Jly Sahivelo, sy ramatoa vadiny, notronin’ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny minisitera. Nanolotra soradia koa ny fikambanan’ny vady miaramila (Fivami).
Jean Claude