Tonga ity ny fotoana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Chan 2025” ho an’ny Barea de Madagascar. Fanamby goavana no miandry an-dry zalahy dia ny handresy an’i Eswatini, amin’ireo lalao roa hifanandrinana. Lalao hatao atsy Afrika Atsimo sy Maurice.
Hotontosaina anio, ao amin’ny Kianja Lucas Masterpieces Moripe Stadium, ao Pretoria Afrika Atsimo, ny lalao mandroso hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy i Eswantini, eo amin’ny fiadiana tapakila hiatrehana ny «Chan 2025”. Tsara marihina fa ny ekipan’i Eswatini no hampiantrano ity fifanandrinana voalohany ity. Tombony ho azy ireo ny fananana ireo mpilalao efa zatra niatrika lalao iraisam-pirenena. Na izany aza, vonona tanteraka ho amin’izany ny Barea de Madagascar, izay efa nanomana sy niatrika fanazaran-tena nandritra ny 1 volana mahery teto an-toerana. Tao anatin’izany, nisy ny fihaonana ara-pirahalahiana natao tany Antsirabe, ka nahazoana fandresena indroa nisesy. Ankoatra izay, nialohany nandehanana, namonjy an’i Afrika Atsimo, nifandona tamin’ny Elgeco Plus izy ireo, teny Mahamasina ka nandresy 3 no ho 2.
Ampahafantarina ihany fa efa any an-toerana avokoa ireo mpilalao 25 mirahalahy nantsoin’ny mpanazatra Rakotondrabe Romuald Felix (Coach Rôrô). Ankoatra ireo mpilalao niatrika ny Chan tany Algerie ny taona 2022, toa an’i Nina, mpiandry tsatoby, sy i Dadafara ary i Tony sy i Andy miampy an’i Lalaina sy i Datsiry, misy koa ireo mpilalao vaovao. Anisan’izany ry Randy, Gregasse, Christiano, Alexandro. Tsiahivina fa hatao ao Côte d’or National Sports complexe Maurice, ny 29 desambra, ny lalao miverina eo amin’ny firenena roa tonta. Marihina fa lalao natokana ho an’ireo mpilalao miatrika fifaninanana ao anatin’ilay firenena ihany ity “Chan” ity. Tsy mbola hisy, araka izany, ny mpilalao milaravinahitra eto Afrika afaka mandray anjara.
Fitia Randria